Ambohimangakely : Nametrahana jiro cobra teny amin’ny fokontany Soamanandrariny
Tonga namaly ny fitairainan’ireo mponina, ao amin’ny fokontany Soamanandrariny, ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Nametrahana jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ireo kihon-dalana sy elakelan-trano ao an-toerana, araka ny voalaza.
« Tao aorian’ny fidinanan’ny ny ben’ny tanàna teny fokontany Soamanandrariny izay nitarainan’ny mponina ny resaka tsy fandriampahalemana dia tonga nametraka ireo jiro cobra tety fokontany Soamanandririny ny fiadidian’ny kaominina sy ny jirama jiro entina hanazava ireo lalakely sy ireo toerana izay tena maizina ety an-toerana » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Efa ela no niandrasana izao asa izao ny mponina. Tsy tokony hiandry fitarainana vao manao ezaka toy izao ny tomponandraikitra, satria ny tsy fandriampahalemana efa nisy foana hatramin’izay. Hisaorana ihany anefa izy ireo ary hantenaina mba tsy hijanona hatreo ny ezaka fa hihitatra amin’ny sehatra hafa » hoy i Volatiana, mponina ao Ambohimangakely.
Fananana iombonana, natao hanazavana ny tanàna ny jiro cobra. Mahazo tombotsoa amin’izany avokoa ny tsirairay. Ilaina ary tokony hifanentana araka izany ny tsirairay mba ho sarotiny sy hikojakoja izany, indrindra hiaro azy ireny amin’ny mpangalatra.
