France : Vehivavy iray no hita voarasarasa tao Buttes-Chaumont
Vatan’olombelona voarasarasa no hita tao anaty harona fanariana fako tao amin’ny valan-javaboahary tao Buttes-Chaumont ny alatsinainy teo. Tao anaty hazohazo, nandritra ny andro atoandro no hitan’ireo mpiambina monisipaly ny valan-javaboahary io razana io efa voatetitetika io.
Raha ny fizahana nataon’izy ireo voalohany dia vehivavy ny razana. Mbola tsy fantatra kosa hoe mety hafiriana no efa maty io vehivavy io noho ny fahatopitotehan’ny razana. Mbola tsy fantatra ihany koa ny momba azy saingy efa manokatra ny fanadihadiana ireo manam-pahefana.
Manoloana ny tranga dia nakaton’ny ben’ny tananan’ny botibotitany faha-19 ao an-drenivohitra, François Dagnaud ny valan-javaboahary tao Buttes-Chaumont.
