Ambohimangakely : Notohizana tao amin’ny EPP betsizaraina ny fizarana Cantine scolaire
Ankoatra ireo EPP miisa 03 efa nanatanterahana ny fizarana ny cantine scolaire, manerana ireo EPP ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, dia nahazo ny anjarany ihany koa ny EPP Betsizaraina tamin’iny herinandro lasa iny. Mbola vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny orinasa ATOM hatrany no nanatanterahana izany, araka ny voalaza.
“Anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina hatrany dia mitohy ary hanesy ireo EPP manerana ny kaominina ny fampisakafoanana ireo sekoly ambaratonga fototra ary efa anisan’ny tanjona napetraka izany. Hisaorana hatrany ny orinasa mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahan’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
“Faly ny ankizy mpianatra teto amin’ny EPP Betsizaraina nandray ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy, indrindra amin’ny fanatanterahana izay fanomezana ny cantine ho an’ny mpianatra izao. Izany dia endrika fanohanana ny fampianarana ary hirariana hitohy hatrany” hoy I Louisette, mpampianatra.
Anisan’ny hetsika fanohanana ny sekoly ary hanomezana lanja ny fampianarana moa no anton’izao hetsika fampisakafoanana ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra izao. Raha tsiahivina, ny EPP Ambohimangakely, Ikianja ary Ambohipiainana no efa nahazo ny anjarany tamin’ity hetsika ataon’ny kaominina ity.
Manitra Ramanantsoa
