SAVA : Hisy ny lamina mikasika ny lavanila
Tonga nitsidika tao SAVA i Andry Rajoelina hametraka hametraka lamina momba ny lavanila. Naseho tamin’io ny karatra biometrika ho an’ny mpamboly izay fomba iray ahafahana miaro azy ireo.
« Hiaro anareo tantsaha, hiaro anareo mpamboly no nahatongavako aty. Ao anaty lisitra nomerika daholo hoe iza no mpamboly lavanila. Hitondra filaminana manoloana ny halatra lavanila ny fampiasana io karatra io » hoy i Andry Rajoelina tao amin’ny Fokontany Ambalavanio, kaominina Belaoko Lokoho any amin’ny distrikan’Andapa. « Manome toky izahay avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika fa hahazo fankatoavana hanondrana lavanila ianareo mpandraharaha manara-dalàna.Tsy maintsy vidiana amin’ny vidiny farany ambany, ny mihoatra tsy ferana, ny vokatry ny tantsaha » hoy hatrany- izy. Nitondra mpividy mihitsy aza izy nandritra izany fandalovany izany.
Nicole Rafalimananjara
