Fanamifasana ny fiarovana ny valan-javaboahary.
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny zava-baovao hapetraka anatin’ireny toerana natokana ho an’ny zavaboahary ireny. Mahasarika mpizahantany sy reharehan’ny firenena Malagasy izy ireny. Tsy hilaozan’izay mpanarararaotra ny harem-pirenena anefa ny valan-javaboahary. Ankoatra ny mpanimba sy mpamotika tsotra izao azy ireny, eo ihany koa ireo olon-dratsy miendrika mpizahatany tonga any. Ny fananganana fotodrafitr’asa lehibe no vahaolana azo antoka amin’ireny halatra hataon’ny mpanararaotra ireny. Anisan’izany ny fametrahana rakitsary miafina amin’ny toerana sarobidy mba hahatratrarana ny mpanao ratsy. Ny olana mantsy, maro amin’ireny toerana ireny no tsy manana izany ka tsy misy azo atao ankoatra ny fikarohana rehefa misy ny voina miseho. Mitana andraikitra goavana ny mpiambina ireny valan-javaboahary ireny. Anisan’ny toerana manan-danja lehibe ny any Andringitra (Parc National Andringitra) sy ny any Ivohobe. Nisitraka fanofanana manokana amin’ny fiarovana ireo toerana ireo ny mpiambina ao. Nisy araka izany ny fametrahana teknolojia vaovao tao amin’ireo toerana ireo. Fiofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana ireo no natao, eo ihany koa ny fihetsika hatao amin’ny fanaraha-maso. Ilaina ny ezaka tahaka izao mba hamongorana ireo mpanararaotra izay mamotika ny harem-pirenena. Tokony entanina manaraka izany ihany koa ireo mpitsidika mba hanaja ireo foto-drafitr’asa mipetraka amin’ireny toerana ireny.
Fanilo Rarivoarilala
