Mahavita be eto amin’ny firenena ny tafika malagasy.
Eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ny tafika Malagasy manoloana ireo loza mianjady amin’ny mponina. Ny tranga ny sabotsy 13 martsa lasa teo no horesahana. Tapaka ny tetezana tao Ambohimanarivo Lohavanana, distrikan’i Marolambo ary miisa roa no naratra nandritra izany. Nanampy sy nanome tanana nandritra izany ny tafika malagasy tamin’ny alalan’ireo angidimbin’ny tafika an’habakabaka. Nentina avy hatrany teto Antananarivo ireo olona roa naratara mafy ireo taorian’izay. Mbola nanampy tamin’ny fitanterana azy ireo hatrany ny teo anivon’ny tafika. Taratra ahitana ny maha zava-dehibe ny fisian’ny ny tafika eto Madagasikara ny loza toy izao. Tsy mitsaha-manampy ny vahoaka manerana an’i Madagasikara izy ireo. Mbola hanaovana antso avo ireo tanora vonona hanasoa ny firenena noho ny tsy fahampian’isan’izy ireo. Mihena mian-dalana mantsy izy ieo noho ny fahafatesana ohatra. Amin’izao fotoana mantsy, misaona indray ny eo anivon’ny tafika Malagasy noho ny fahalasan’i Faharo Ratsimbalson, manamboninahitra ambony efa nisotro ronono tao amin’ny Tafika malagasy. Nahavita be teto amin’ny firenena ihany koa izy satria efa solombavambahoaka, efa ben’ny tanàna tao Belo-sur-Tsiribihina ary efa lehiben’ny faritra voalohany notendrena tao Menabe tamin’ny taona 2009. Nametraka tantara tsara teto amin’ny firenena izy ary azo sokajiana ho fitaratra ho an’ireo miroso hanatevin-daharana ny tafika malagasy aty afara. Misaotra tamin’ny efa vitan’izy ireo isika ary mankahery hatrany amin’ny asa mbola miandry amin’ny fiarovana ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka.
Nicole Rafalimananjara
