Vahaolana ve ny fanaovam-baksiny hiarovana ny COVID-19 ?
Miroso amin’ny fanaovam-bakisiny ny vahoakany ny firenena tsirairay indrindra ny aty Afrika. Maro ihany koa anefa ireo nampiato izany noho ny fivainganan-drà nahazo ny ankamaroan’ny olona tany amin’ny firenena hafa izay natao vaksiny indrindra ny tany Australie. Nanao fanambarana ny Minisitry ny fahasalamana, Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao, ny talata 16 martsa teo fa tsy mahamaika ny fanafarana vaksiny tsy mbola azo antoka raha ho an’ny eto amintsika manokana. Mila mailo sy malina hatrany isika manoloana ny Vaksiny miparitaka any ivelany. Miandry ny voka-pikarohana sy ny fiantraikan’ilay vaksiny amin’ireo firenena any ivelany ny fanjakana malagasy araka ny nambarany fa tsy manohitra velively ny fampiasana izany akory. Rariny loatra raha mbola miandry sy mijery tsara aloha isika eto Madagasikara fa tsy maikamaika amin’ny fampiasana vaksiny izay tsy azo antoka tsara. Ny fampitomboana ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny sakafo, eo ihany koa ny CVO sy ny CVO+ izay vokam-pikarohana Malagasy sy ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana no tena mahomby amin’ny fiarovan-tena. Maro amin’ny Malagasy ihany koa anefa no tsy manaiky ny hotsindromina vaksiny izany ka mbola manano sarotrany handresena lahatra azy ireo. Sokajian’ny maro an’isa tsy ho tafiditra anaty kolontsaina maha Malagasy ny fanaovana vaksiny. Fitsaboana maro no vohizin’ireo manam-pahaizana maro mikasika ny fanampiana ny hery fiarovana izay hitan’ny Ntaolo Malagasy ka tsy hita izay maharatsy azy hoy ny olona sasany. Tsy dia ilaina loatra arak’izany ny vaksiny hoy izy ireo. Mitombo anefa ny marary ary tena hatahorana ny mety hisian’ny fihibohana. Inona no vahaolana ?
Nicole Rafalimananjara
