Ambohimanambola: Olon-dratsy telo nangalatra moto tratran’ny zandary
Telo lahy no tratran’ny zandarimaria avy ao Ambohimanambola, ny alarobia lasa teo, rehefa nanaovana vela-pandrika tamin’ny halatra moto izay nataon’izy ireo. Olon-tsotra avy ao Ambohimanambola no nanana ahiahy mahakasika ny fahitana moto iray nahidy tao an-tsena ka nampiantso ny avy ao amin’ny zandary, araka ny voalaza.
» Noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra dia tratra soa aman-tsara ireto lehilahy ireto. Nisy ny vela-pandrika natao nahafahana nisambotra azy ireo ary niaiky ny heloka nataony izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
» Mamely ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana ary tokony hotohy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny manam-pahefana sy ny vahoaka. Raha izay no mitohy dia ho fongotra ny olon-dratsy » hoy i Rija, mponina ao Ambohimanambola.
Marihina moa, fa moto avy eny Alasora ity nangalarinireo jiolahy ity ary mipetraka eny Ambohipo Sud, kaominina Alasora ireto mpangalatra tratra ireto. Aorian’ny fanadihadiana ataon’ny zandary moa no hiakatra fampanoavana ity raharaha ty.
Manitra R.
