Maurice : Hiditra amin’ny fampiasana ny fonona sigara « neutre » ny nosy ny 31 may izao
Mitohy ny adin’ny nosy Murice amin’ny fifohana sigara. Manoloana izany dia hiditra amin’ny fampiasana fofona sigara « neutre » ny nosy manomboka ny faran’ny volana may izao. Fanpahan-kevitra izay nankasitrahan’ny tale jeneralin’ny OMS, Tedros Adhanom Ghebreyesus nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fahasalmana andiany faha-76 tao Genève ny alatsinainy teo.
Raha tsiahivina dia firenena 133 mpikambana ao amin’ny ONU no nampiakatra ny tahan’ny hetra ny vokatra mampidi-doza ho an’ny fahasalamana rehetra teo anelanlan’ny taona 2017 sy 2022. Isan’izany ny sigara sy ny zava-pisotro mamy. Ohatra nomen’i Tedros Adhanom Ghebreyesus i Timor oriental izay mahatratra 100 dollars/ kilograma ny hetrany ny sigara raha manodidina 19 hatramin’ny 50 dollars izany teo aloha.
