ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mpanendaka telo lahy, tratran’ny zandary

Mpanendaka telo lahy no tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny zandary Ankadikely, ny alahady teo. Ireo olona misotro anaty toeram-pimamoana no tena lasibatr’izy ireo, araka ny voalaza.

« Manaraka olona misotro anaty toeram-pisotroana no fanaon’izy ireto. Mieritreritra angamba izy ireo amin’izany fa tsy hahafantatra na tsy hahatadidy ny endriny ireo olona izay endahiny satria mamo. Tsy mbola mamo tsara kanefa ilay lehilahy izay nendahin’izy ireo ny alin’ny 20 mey 2023, ka nahatadidy tsara ny tarehy sy ny volon’izy ireo ka nitoroka tany amin’ny zandary satria very vola sy finday » hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

« Noho ny ezaka nataon’ny zandary, manoloana izany, dia voasambotra ireto olon-dratsy ireto ary natao famotorana. Niaky avy hatrany izy telolahy ireto fa nanendaka tokoa ny alin’io 20 mey 2023 io » hoy hatrany ny fanazavana.

Manoloana izany, manentana ny mpitandro filaminana, indrindra ho an’ireo mpisotro mba hanao izany ampamendrehana. Azo atao ny misotro any an-trano, ary tsy tokony ho alim-pody na mandeha irery ireo mpiditra anaty toeram-pisotroana, ho fisorohana ny tranga samihafa.

Manitra R.

Laisser un commentaire