FES Madagasikara : Manohana ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana isan-karazany
Miompana tanteraka amin’ny fampiofanana ny tanora ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo famelabelaran-kevitra isan-karazany ziay karakarain’ny toerana manerana ny Nosy dia efa maro ihany koa ireo fampiofanana mivantana hatolotra ny tanora.
Ny tanora no hoavin’ny firenena ka mila ampiana tosika sy tohanana izy ireo hampivoatra azy sy ny tenany. Farany teo izao dia nanolotra fampiofanana ho an’ny tanora lahy sy vavy avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izy ireo. Miisa 20 ireo tanora ireo ary niompana kokoa tamin’ny fahaiza-mitarika ny fampiofanana. Naharitra 5 andro be izao ny fampiofanana. Ny tanjona tamin’izany dia hahafahana manamafy ny fahalalan’izy ireo mahakasika ny fahaiza-mitarika sy ny dingana rehetra amin’ny fifidianana.
Taom-pifidianana ity taona ity ka izany no mahasarotiny ny FES amin’ny tokony hahaizana mitondra tena amin’izany. Araka izany dia ireo tanora hampiofanina no hanentana ny olona manoloana io hevi-dehibe io. Nisy ny famolavolana takela-panentanana niarahana tamina tanoran’ny Fiarahamonim-pirenena isan-karazany hanentanana manodidina ny fifidianana.
Manan-kambara ny tanora manoloa ny fiainam-pirenena ka nomena sehatra izy ireo nanritra ireo hetsika rehetra izay karakarain’ny FES, ao anatin’izany ny dy hevitra sy ny famelabelaran-kevitra isan-karazany. Manohana tanteraka ny tanora ity fikambanana ity ka azon’ny rehetra atao ny misitraka izany amin’ny fotoana rehetra.
Miora Raharisolo
