Ambohimangakely : Notolorana zezika ireo tantsaha ao amin’ny kaominina
Notontosaina tamin’ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny kaominina Ambohimangakely, ny fanolorana fanampiana ireo tantsaha ao an-toerana. Tamin’izany, nisy ny fizarana zezika ho an’ireto farany avy amin’ny ministera misahana ny fambolena.
“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanosehana sy fanampiana ireo tantsaha eo amin’ny seha-pamokarana fototra. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga tety anivon’ny kaominina mihitsy ny avy ao amin’ny ministera, nanolotra ho an’ireo tantsaha, zezika sy masomboly ho fampiroboroboana izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka sy ny fanampiana ny tantsaha. Tena ilaina tokoa izao satria raha jerena, anisan’ny manahirana ny tantsaha ankehitriny ny vidin’ny zezika sy ny masomboly. Ny fanampiana tahaka izao dia anisan’ny manosika azy ireo ary mampivoatra ny famokarana” hoy i Fenohery, mponina ao Ambohimangakely.
Andry iray hiankinan’ny fampandrosoana ny fampiroboroboana ny seha-pambolena. Mbola ny ankabeazan’ny mponina eto Madagasikara no mivelona amin’izany seha-pihariana izany. Ny fanampian’ny ministera tahaka izao moa dia anisan’ny fanoitra entina manatsara izany.
