ActualitésTsidika

Literatiora : Nisokatra ny « plateforme » ahafahana mamaky boky an-jotra Malagasy voalohany

Hevitra avy amin’i Anjoanina Ramaroson na i Njo no nahafahana namokatra ity « plateforme » ity. Ahitana boky malagasy sy frantsay maro izy io ary ihany koa ahitana rakibolana malagasy-français. Nampitondraina ny anarana hoe « Lisy 1817 » ity plateforme iray ity ary vita Malagasy tanteraka.

« Avy amin’ilay boky voalohany indrindra nosoratako hoe «Lisy Mianjoria » no namoahako ny anaran’ity plateforme ity. Efa aman-jatony ireo boky ao anatiny ary azon’ny olona rehetra tsidihina. Efa ny taona 2017 aho nanana eritreritra ny hanao azy ity fa izao vao tena tanteraka. Hahazo tombony kokoa ihany koa ireo izay mankafy mihaino tantara ary haheno ny feon’i Jaomanoro, izay nampindrana ny feony amin’ny boky rehetra ato », hoy i Njo, mpamorona ny plateforme sady mpanoratra ihany koa.

« Angano malagasy, tantara fohy sy tantara lava sy ny maro hafa dia ho hita ao amin’ity plateforme ity avokoa. Ireo tanora sy ankizy no tena cible tamin’ity tetik’asa ity mba hahafahan’izy ireo mahafantatra ireo kolontsaina Malagasy tsara ho fantatra rehetra », hoy hatrany ny fanazavana izay natolony.

« Amiko aloha mety tsara ity sehatra iray ahafahana mahafantatra ny kolontsaina Malagasy ity. Ny ankizy sy ny tanora amin’izao efa maro no manana finday ka raha misy izao dia mba tsy variana loatra amin’ny tambazotran-tserasera fotsiny fa afaka maka fahalalana amin’ny alalan’ny vaky boky ao anaty finday ihany. Azo atao tahirin-kevitra rehefa manao asa any ampianarana ihany koa ity plateforme ity noho izany maro ny ilana azy », hoy i Sitraka, mpianatra ao amin’ny zana-tsehatra Malagasy eny amin’ny anjerimanontolo.

Lisy 1817 dia miasa toy ny tranonkala « streaming » rehetra, izay tsy maintsy mandoa famandrihana isam-bolana mba hidirana amin’ny ao anatiny. I Njo mihitsy no namorona ny tranokala sy ny sanganasa misy ao. Nisafidy ny hiara-hiasa amin’i Jaomanoro izy satria mitovy ny vina amin’ny maha zava-dehibe ny boky sy ny fisian’ny fialamboly tsara sy manara-penitra. Hivoatra amanaraka ny taona ireo boky ho hita ao anatin’ity tranonkala ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire