SocialTsidika

Alasora : Efa manimanitra fety sahady eny an-toerana

Efa miditra ao anatin’ny hetsika hankalazana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona tokoa ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Natomboka amin’ny fandravahana ny biraon’ny Koaminina izany, izay nanova sahady ny endriky ny tanàna.

« Sady hanome fahafinaretana ny mason’ny mponina eto Alasora izao no tari-dalana amin’ny tokony handravahana ny tanàna, ary hanomezan-danja ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona, izay efa tsy ho ela sisa » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Mahafinaritra sy miavaka ery ny tanànan’Alasora amin’izao. Manome fahafinaretana ny maso ary tena mampilamin-tsaina ny mahita endrika mahafinaritra tahaka izao » hoy i Artinah, mponina any Alasora.

« Tsy hijanona hatreo akory ny hetsika ho amin’izao fety izao fa hiseho amin’ny endrika maro fa fanombohana ihany izao » hoy ny solontenan’ny kaominina Alasora. Efa manakaiky tokoa ny fetin’ny noely kanefa na iznay aza tokony hitohy foana ny asa ho an’ny vahoaka mba hahafahan’izy ireo miatrik any fety am-pitoniana toy ny fanamboaran-dalana sy ny famahana ny olan’ny rano izay mampikaiky ny mponina any an-toerana.

Irariana tsy hijanona ao amin’ny kaominina Alasora irery ny hetsika tahaka izao fa hiparitaka amin’ireo kaominina rehetra eto Avaradrano, satria ny tsara no alain-tahaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire