Fampandrosoana : Tsy mitsaha-mitombo ireo firenena hafa vonona hanampy an’i Madagasikara
Nanome ainga vao sy nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Allemagne ny fihaonana tamin’ny delegasiona avy any Allemagne tonga teto Iavoloha ny 3 desambra teo. Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny avy any ivelany i Madagasikara tato ho ato.
« Tena ilaina ny fandrosoana ka vonona hatrany ny Repoblika Federalin’i Allemagne hiara-dalana sy hanohana an’i Madagasikara » hoy ny Sekreteram-panjakana ao Allemagne miadidy an’i Afrique. « Naharesy lahatra azy ireo manokana ny fahaiza-mitarika nasehontsika amin’ny ady amin’ny kere sy ny politika napetraka ho fandrakofana ala an’i Madagasikara ary ny fampandrosoana ny fampiasana ny angovo azo havaozina » hoy ny filoha Rajoelina Andry. « Firy izay ny firenena tena vonona hanampy kanefa tena tokony ho lasa lavitra mihoatra ireny firenena ireny mihitsy isika satria samy manohana daholo ny firenena maro matanjaka, mbola andalam-pandrosoana foana ny anarantsika hatramin’izao mba tsy hitenenana ny hoe firenena mahantra aza » hoy i Ronaldo, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Mitohy, ary mbola hitohy hatrany, ny tolona ho any amin’ny fampandrosoana. Rahoviana vao tena handroso isika ? Inona no fanalahiin’ny fampandrosoana ?
Nicole Rafalimananjara
