Alasora : Mitohy hatrany ny fandehanana ifotony amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna
Mitohy hatrany amin’izao fotoana izao ny hetsika ataon’ny brigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Alasora, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mponina, ny amin’ny fisafoana sy ny fadinana ifotony amin’ny alina hitandroana ny filaminana ao amin’ny kaominina Alasora.
« Mihetsika ny mpitandro filaminana na andro na alina mba hanalefahana ny tsy fandriam-pahalemana eto Alasora. Tsy maintsy atao ny fisafoana mba ahatratrarana ireo olon-dratsy, izany anefa tsy maintsy hiaraha-miasa amin’ireo mponina ety an-toerana » hoy ireo mpitandro filaminana.
« Tena mety ny hetsika, izay hisaorana ny tomponandraikitra. Ilay tampohana mihitsy no tena mety, ary tsy tokony hijanona amin’ny faritra iray ireo mpitandro filaminana fa hijery hatrany an’elakelan-trano rehetra » hoy i Solo, mponina ao Alasora.
Miara-miasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy indrindra fa amin’ny alina. Ny fametrahana lalàna sy fitsipika manoloana ny fivezivezena amin’ny alina ihany koa no tokony hamafisina mba hampitsaharana ny tsy fandriam-pahalemana.
Manitra Ramanantsoa
