Fitafy : Tsy azo hanaovana ny lamba « vert armée », ary tsy azo varotana ihany koa
Dépêche 22 septembre, 15h, Nandeha teny amin’ny tsena ireo mpitandro filaminana tao Ambilobe ary nanentana ny mponina fa tsy azo atao ny mitafy sy mivarotra ny lamba « vert armée ». Noho ny fisian’ireo mpisandoka ho mpitandro filaminana maro no anton’izany ary indrindra dia voararan’ny lalàna ny fanaovana azy ireny ka mety hiafara hatramin’ny sazy am-ponja mihitsy izany. Tsy ny any Ambilobe irery ihany anefa izany fa manerana an’i Madagasikara.
