Tsy mitsaha-mitombo ny maty
15 indray no matin’ny Coronavirus raha ny tatitra natao ny 1 aprily ary efa mahatratra ny 433 ny maty nandritra ny nidiran’ny COVID-19 teto amintsika ny Martsa 2020. Mbola betsaka ihany koa anefa ny trangam-pahafaetsana tsy fantatra any ho any fa izay aloha ny ofisialy. Tsy mifidy saranga ny aretina ary betsaka ny olomalaza sy olona ambony matin’ny aretina. Tsy ireo efa lazolazony ihany koa no tena aripany fa na tanora vao misandratra aza maty ary anatin’ny fotoana vitsy mihitsy aza. Tsy mora ihany koa ny fitsaboana ka maro ny sasany sady tsy manana fahafahana hanao fitiliana akory, eo ihany koa ny saran’ny fitsaboana. Hany ka adiady gasy ihany no atao hanampiana ny hery fiarovana toy ny voasary makirana, tambavy, sakamalaho, ravintsara. Ity aretina ity no tokony hofoanana ary anisan’ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena. Manakana zavatra maro sy mampikatso ny firenena mihitsy aza izy satria mampihena ny tahan’ny olona afaka miasa, mampihena ny fidiram-bolan’ny isan-tokatrano ka lasa mikasika ny harin-karenan’ny firenena izany. Inona no vahaolana ialàna amin’ity aretina tsy mitsahatra mandripaka ny vahoaka maneran-tany ity ?
Nicole Rafalimananjara
