Fifamoivoizana : Mandeha ny « challenge » vaovao atao amin’ny fiara fitateram-bahoaka
Miforona indray ny kilalao hafa ho an’ny fiara fitateram-bahoaka izay ho entina hanairana hatrany ny sain’ireo mpitatitra amin’ny tsy mety ataony manoloana ny mpandeha. Betsaka ny efa nanao ilay mody misakana kely dia avy eo mifampibaby ary nahenoana fitarainana maro avy amin’ny mpamily mihitsy aza izany satria asa fivelomany io ka tsy tokony ho atao kilalao. « Tena mampijaly ireny fiara mpitatitra ireny, rehefa atoandro tena vodihazo be, rehefa hariva manary eny an-dalana, tena tokony hofaizina mihitsy” hoy i Lanto, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Misy lalao miforona indray any ho any, miainga eo amin’ny fiantsonana fiangana ary tsy misy miala ny iray fiara raha tsy any amin’ny farany, iznay hoe tena hilalao sy hanafay mihitsy no tanjona fa ty hoe handeha, ohatra hoe maneha 194 eny Mausolée ka tsy miala raha tsy Andranomena daholo» hoy i Rindra, mpianatra eny Ankatso. « Mahita atao mihitsy ny tanora amin’izao fotoana izao, tena mivazivazy fiaina loatra ka mbola hifatraran’ny hatezeran’ny mpamily ihany koa ka mifamelimely eo ihany ny roa tonta » hoy i Jacquis, mpampianatra eny amin’ny lisea. Betsaka tokoa ny fitarainana mikasika ny fiara fitateram-bahoaka indrindra saingy tena vahaolana ve ny kivazivazy tahaka izany ?
Nicole Rafalimananjara
