SocialTsidika

Fihibohana : Misy foana ireo tratra tsy nanaraka ny fepetra

Mbola misy foana ny minia tsy manara-dalana ka manohitra ireo fepetra efa napetraky ny fitondrana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina Covid-19. Efa zatra ny lalan-dririnina loatra ny sasany ka mivoaka foana rehefa alina na dia efa napetraka aza ny ora tsy azo hivezivezena. Mbola nahitana tsy fanarahan-dalàna toy izany ny tany Toamasina tamin’iny Tanamakoa, Salamazay sy Ambalamanasa ny faran’ny herinandro teo. Sady tsy marary no tsy manana marary no tsy tompon’andraikitry ny fahasalamana kanefa sahy mivezivezy anatin’ny « couvre-feu » eo ihany koa ireo toeram-pivarotana zava-pisotro maha mamo mbola minia misokatra. Nandray fepetra avy hatrany ny teo anivon’ny ZDS Pangalana, nanakatona ny toeram-pivarotana sy nisambotra ireo olona ary mbola manentana hatrany ny tsirairay hanaja ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana amin’izao fihibohana izao. Mbola tsy voany ve ka sahy mivoaka manome vahana ny fiparitahan’ny aretina ? Fa akoatran’i Toamasina, niditra tamin’ny fihibohana tanteraka Analamanga ny Asabotsy sy Alahady teo, Tsy vitsy koa ireo sahy nivoaka tsy misy antony. Olona 332 be izao no nosamborina nandritra izany noho ny fivoahana ny trano amin’ny tsy antony. Tao ny tratra nijorojoro nanokon-dresaka eny amin’ny sisin’arabe, ny hafa nivoaka nijery ny zava-niseho an-dalambe nandritran’ny fihibohana, ao ireo nidoladola nampiaraka tsy nahalala nihiboka, ireo nitangorona nilalao daomy eny an-tsisin-dalana sy ny maro hafa tsy voatanisa. Manao ny coronavirus ho tsy hisy ve ka manohy ny fahazarana sa fanahy iniana te handika lalàna fotsiny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire