PolitiqueTsidika

Mbola mety ho voatazona ve i Lalatiana Rakotondrazafy ?

Tapitra ny 11 aogositra teo ny fe-potoana hiasan’ireo Ministra mandrafitra ny governemantan’ny Ntsay Christian. Isany amin’izay i Lalatiana Andriatongarivo izay Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina no mbola mpitondra teny ny governemanta Malagasy.

« Tsy mitombina mihitsy ny hialàny eo amin’io toerana io satria sady akaiky ny filoha izy no sady malama vava » hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray. « Ilaina be eo amin’ny fitondrana izy noho izy mahita lazaina foana no sahisahy no manam-pahaizana ka tsy tokony ho esorina » hoy indray ny hafa. Inona no hiseho raha tsy ho eo amin’ny toerana intsony izy ?

« Atahorana hivadika palitao izy raha hodakana eo ka mino aho fa tsy ho isan’ny hiala izy na mahazo toerana hafa eo amin’ny fitondrana ihany » hoy ny mpanidika politika iray. Inona no ho ataony raha tapitra hatreo anefa ny maha Ministra azy ? Miandrandra mafy ny hahalala ny mety ho mikasika azy ny mpanara-baovao rehetra.

Nicole Rafalimananjary

Laisser un commentaire