Fizarana lay misy odimoka : Atomboka amin’ny volana aogositra
Ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 ny firenena tao anatin’ny herintaona mahery izay. Tsy io irery anefa no aretina mpahazo ny olombelona izay mahafaty azy eny anivon’ny toeram-pitsaboana. Laharana fahefatra amin’izany aretina izany ny tazomoka, izay efa nandripaka ain’olona marop kanefa mbola azo sorohana tsara. Maro ireo paikady novolavolain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny « Programme National de lutte contre le Paludisme » hiadiana amin’izany. Anisan’izany ny fizarana lay misy odimoka maharitra izay hiatomboka ny volana Aogositra 2021 ho avy izao. Vinavinaina ho lay miisa 13 703 700 no ho zaraina amin’ny tokantrano miisa 5 334 380 hatramin’ny faran’ny taona 2022. Faritra 21 ary Distrika miisa 101 no fantatra fa hisitraka izany, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Nangataka ny fiaraha-miasa amin’ireo Ministera hafa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fivoriana izay notanterahana androany 18 mai 2021 tao amin’ny Hôtel Ibis. Fivoriana izay niompana tamin’ny fanomanana ity andiany fahadimy amin’ny fizarana lay misy odimoka maharitra ity. Ny fampiasana lay misy odimoka no tena fiarovana volaohany satria mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka izany. Tombony maro ihany koa akoatr’izay fiarovana amin’ny tazomoka izay ihany koa no azo amin’ny fampiasana azy ity satria mbola misy ihany koa ilay Dengue, izay areti-mandoza azo avy amin’ny kaikitry ny moka ihany koa. Tsara ny fampiasana ny lay misy odimoka satria aleo misoroka toy izay mitsabo.
Nicole Rafalimananjara
