Basy tsy ara-dalàna miisa 74 no azo tao Fianarantsoa
18 May, 13h 45. Basy maro tsy ara-dalàna no azon’ny zandarimariam-pirenena any Fianarantsoa tao anatin’ny 5 volana. 74 no isan’ny basy azo tany amin’ny olon-tsotra sy ny dahalo nanomboka ny volana janoary tamin’ity taona 2021 ity hoy I Bernard Tsiketa. Fanentanana ireo olona mitazona Basy amin’ny tsy ara-dalàna mba hanatitra izany no natao nahazoana ireto basy ireto.
