Toliara : Noesorina ny « centrale solaire »
Tsy maintsy noesorina ilay « centrale solaire » tao Toliara noho ny toetr’andro nentin’ny rivo-doza Batsirai. Manana anjara toerana lehibe amin’ny famatsiana rano ao Toliara anefa ity toerana ity.
« Tsy maintsy misy fiantraikany eo amin’ny famatsiana rano ny fanesorana azy ity. Nanampy trotraka ihany koa ny fahasimban’ny milina tao amin’ny Enelec. Efa miezaka manatsara hatrany ny tolotra izahay » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. « Amin’ny alarobia no averina apetraka indray ny centrale solaire. Tokony hiasa soa aman-tsara izy ny alakamisy ho avy izao » hoy ny tompon’andraikitra.
« Ny rano dia aina. Raha tsy misy ny rano ahoana no hiainana. Mila vahaolana eo no eo foana ny mponina rehefa ny rano no voakasika tahaka izao. Tsy vitan’ny maharitra mantsy izany. Mila rano isan’ora ny vatana » hoy i Jenny, manam-pahaizana mikasika ny rano. Raha simban’ny rivo-doza ihany koa anefa ireo fitaovana vao maika hitombo ny fahavoazana. Ilaina foana ny manapa-kevitra tahaka izany mba hirosoana hatrany hatrany.
Nicole Rafalimananjara
