ActualitésSportTsidika

BTC Ambohimangakely: Amin’ny alahady ny fotoana ho an’ny fifaninana tsipy kanetibe

Tonga ny fotoana hanatanterahana ny fifaninana tsipy kanetibe ao anatin’ny hetsika SSMAF. Amin’ny alahady izao, no fotoana nifanomezana tamin’izany eny amin’ny ivon-toerana BTC Ambohimangakely. Efa vonona avokoa ny fikarakarana mahakasaika izany, raha ny voalaza.

«Mitohy hatrany ireo fifaninana ao anatin’ny hetsika SSMAF, ety amin’ny BTC Ambohimangakely. Ao anatin’ilay sokajy fahatelo, izay hanomezana vahana ireo fifaninana ara-panatanjahan-tena dia ny 20 aogositra izao no hanatanterahana ny fifaninana Tsipy kanetibe. Efa vonona avokoa ny fikarakarana rehetra fa ireo mpandray sisa no andrasana amin’izany » hoy i Hasina, tomponandraikitra mikarakara ny SSMAF.

“Tahaka ireo fifaninana rehetra efa fanao sy efa nandeha tato anatin’ny SSMAF, dia hisy ny loka ho zaraina ho an’ireo mpandresy. Ny SSMAF moa dia fitrandrahana sy famohazana talenta, misy ireo efa tompondaka, misy ihany koa ireo izay vao misondrotra ao anatin’ireo fifaninana ka tsy hisy ho diso anjara ny mpifaninana mandritra izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Eny amin’ny BTC Ambohimangakely araka izany ny fotoana hifanomezana ho an’ireo handray anjara sy mpankafy ity taranja iray ity. Fotoana iray sady hialana voly io no sady fanehoana fahaizana sy talenta ihany koa. Afaka miantso ny laharan-tariby 0333265009 na 0382606233 moa ireo mila fanazavana fanampina na manontany ao amin’ny pejy facebook BTC.

Manitra R.

Laisser un commentaire