SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy tsena mora indray

Anio talata 8 febroary indray ny tsena mora tao Ankadikely Ilafy. Ao amin’ny Fokontany Ambohitrarahaba indray no hanatanterahana izany raha toa ka tany Manjaka no nanombohana azy.

« Ny vary dia 1 000 Ar ny vidin’ny iray Kilao. Ferana ho 5 kilao isaky ny karapokontany ihany izany. Ny menaka kosa dia vidina amin’ny sarany 5 000 Ariary ny litatra » hoy ny mpivarotra azy ao Ambohitrarahaba. « Tsara raha manaraka ny lamina hatrany isika mpanjifa. Entanina ihany koa hanaja mandrakariva ireo fepetra sakana ara-pahasalamana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena manala fahasahiranana tokoa aloha ny tsena mora. Efa miakatra avokoa mantsy izao ny vidin’entana ka ny famonjena ny tsena tahaka izao no vahaolana » hoy i Volasoa, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Betsaka sy hita fa liana tokoa ny mponina ao Ankadikely Ilafy. Tsara anefa ny mba hanarahan’ireny vokatra amidy mora eto ireny ny kalitao ara-pahasalamana.

Laisser un commentaire