Tsidika

Lalam-baovao Tsarasaotra : nisehoana lozam-pifamoivoizana nifandoman’ny fiara miisa 5

Omaly 26 Jolay maraina no nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Tsarasaotra Ivato amin’ny lalam-baovao. Raha araka ny fanazavana  dia fiara lehibe iray sy fiara kely hivily ho any Anosy Avaratra no tsy nahafehy ny familiana no nitarika ny loza ka nihitatra hatrany amin’ireo fiara hafa manodidina. Vokatry ny fifandonana dia nahitana fahasimbana ireo fiara fa tsy nisy kosa ny aina nafoy.                                                                                                                                                                                                                                     «  Nisy fiara kely iny saika hivily any amin’ny lalan’i Tsarasaotra no nifanehatra tamin’ilay fiara iray lehibe. Ny fifandoman’ireo no niteraka fifandomana tamin’ireo fiara hafa teo amin’ny manodidina teo. Mafimafy ny fifandomana ka izay no nahatonga fahasimbana be tamin’ireo fiara. “ Hoy ny filazan’ny nanatri-maso.                                                                                                                                            “Vokatry ny tsy fitandremana kely fotsiny no miteraka ny loza tahaka izao. Fanampin’izay koa ny tsy fahaizana manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ka lasa samy manao izay saim-patany ireo mpampiasa lalana. Tsy ho araky ny mpitandro ny filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana anefa ny hanara-maso tsirairay fa isika tsirairay avy kosa no tokony ahatsapa tena ho tompon’andraikitra eny an-dalana eny.” Hoy ny mpamily fiara                                                                                                           Matetika ary vao tsy ampy iray volana izay no nitrangana lozam-pifamoivoizana ity lalana ity.  Voalaza  mihitsy aza fa tafiditra ao anatin’ireo lalana ahitana lozam-pifamoivoizana betsaka indrindra eto Antananarivo ity lalana ity. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny ainy ny tsirairay ka tokony ho samy hitandrina sy hanaraka ny lamina amin’ny fampiasana ny arabe.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire