ActualitésTatitra

Canada : Giampaolo Group, orinasa mpanodina manome lanja ny « sustanaibility »

Efa 50 taona mahery no nisian’ny Giampaolo Group. Manana tantara lava amin’ny fampiroboroboana ny faharetana (durabilité) amin’ny fanangonana fako eo amin’ny tontolo iainana metaly izy ireo. Tany am-piandohana dia fiaravaventy tokana no nanangona ireo korotam-by tao Toronto ary nanomboka teo dia tsy nitsahatra nivelatra ny orinasa ka lasa mpanodina sy mpanatsy iraisam-pirenena metaly.

Orinasa tsy miankina ny Giampaolo Group ary manana ivon-toerana ao Amérique du Nord, Amérique du Sud ary Europe. Marihana fa mizara dimy ny Giampaolo Group izay mifantoka amin’ny « durabilité » avokoa dia ny fanodinana, famokarana ary « élimination des actifs informatiques ».

Sampana ao amin’izy ireo ny « Triplem Metal » izay misahana ny fanasokajiana sy ny fitsinjarana ny fako metaly ; ny « Matalco » izay manodina ny aluminium ; ny « Venture Steel » izay misahana ny acier sy aluminium ; ny « Quantum » izay misahana ny fampiasana indray sy ny fanodinana elektronika ary ny « Giampaolo Investments Limited » izay misahana ny « développement immobilier ».

Laisser un commentaire