ActualitésTsidika

Ambodihazo Ifanadiana: Sprinter iray tra-doza, olona 13 naratra

Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana, inona loatra no antony? Tsy fitandremana amin’ny lalana hoy ny sasany raha tsy fahafehezana ny familiana sy ny lalàn’ny fifamoivoizana hoy ny hafa. Vao roa andro mialohan’ny alakamisy 15 Jolay teo izao no nisehoana lozam-piarakodia taxi-brousse tao Ranomafana Ifanadiana noho ny tsy fahatomombanana ka nahafatesana olona roa. Ary ny alakamisy teo indray nisy Sprinter iray nanao loza izay naharatrana olona miisa 13 tamin’iny lala-pirenena RN25 iny, teo amin’ny PK 76+70 toerana atao hoe Andrena, fokontany Ambodihazo, kaominina distrika Ifanadiana ihany, noho ny fandehanana mafy. Nandeha mafy be avy any ilay Sprinter ary tsy hay loatra na inona no nahazo ity mpamily fa nanao “accident”, maro no hitanay naratra ka nifamonjena hoy ny teny amin’ny manodidina. Mila mitandrina isika rehetra satria lahy tokana ny aina hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire