Chine : Omena « prime » ny lehilahy manambady vehivavy latsaky ny 25 taona
Firenena isan’ny be mponina indrindra eran-tany i Chine izay ahitana mponina 1,4 miliara. Isan’ny firenena manana « population vieille » ihany koa nefa izy (miha antitra ny mpinona ao aminy) ka anandramana hanoherana izany fahanteran’ny mponina izany dia nanapa-kevitra ny distrikan’i Changshan any atsinanan’ny firenena fa hanome valisoa 1 000 yuans (Ar 620 000) ireo mpivady vao raha latsaky ny 25 taona ilay vehivavy.
Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny WeChat ofisialin’ny distrika ny fanomezana izany « prime » izany. Namafisina tao anatin’izany fa entina hampiroborobo ny fanambadiana sy ny fiterahana amin’ny fotoana tena mety io fanapahan-kevitra io. Etsy andanin’izay dia efa misy ihany koa ny nampiana ara-bola hafa hanampiana ny mpivady hiteraka sy hikarakara ary hampianatra izany.
Raha tsiahivina dia 22 taona ho an’ny lehilahy ary 20 taona ho an’ny vehivavy ny taona fara-fahakeliny ahafahana manambady ao Chine. Tao anatin’ny taona maro nefa dia nidina ny tahan’ny fifanambadiana ka napihena ny raham-pahaterahana manoloana ny fepetra mandrarà ny mpifankatia tsy vita mariazy hiteraka.
