ActualitésSportTsidika

Avaradrano: Fandaharan-dalao baolina kitra amin’ny faran’ny herinandro

Mitohy hatrany ny fandaharan-dalao amin’ny fifaninanana baolina kitra eto amin’ny distrika Avaradrano, tournoi inter-communal Avaradrano. Eny amin’ny kianja Sabotsy Namehana indray no hanatanterahana ny dingana manaraka amin’ny lalao fifaninana baolina, amin’ny alahady 03 septambra izao.

“Hanomboka amin’ny 09ora maraina ny lalao. Hiakatra kianja voalohany ary hifandona amin’izany ny ekipan’ny kaominina Fieferana sy Anosy Avaratra. Aorian’izay, amin’ny 11ora sy sasany kosa no hifanandrina ny kaominina Talata Volonondry sy ny kaominina Alasora. Ny tolak’andro kosa, hanomboka amin’ny 02ora ny lalao hifandoan’ny kaominina Anjeva sy Ambohimangakely” hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara.

“Miakatra hatrany ny lentan’ny lalao baolina kitra. Izany indraindra ny hanasana ny rehetra, tsy ny mpitia baolina ihany fa hatramin’ny olon-tsotra ho avy hanohana ny ekipa satria hery lehibe ho an’ireo mpilalao ny fanohanana sy ny fanetrehana azy ireo” hoy hatrany ireo mpikarakara.

Mandroso hatrany ny fifaninanana baolina kitra eto amin’ny distrika Avaradrano. Samy maneho ny fahaiza-manao eo amin’ny filalaovana avokoa ireo ekipa avy any amin’ny kaominina. Mendrika fanohanana sy firaisan-kina avy amin’ny tsirairay tokoa izany mba hanome lanja hatrany ity taranja ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire