Mikarakara lalaontsaina iraisam-pirenena « World Quizzing Championship » ny BTC Ambohimangakely
Hotanterahina ny sabotsy 31 jolay ho avy izao any amin’ny BTC Ambohimangakely ny fifaninana iraisam-pirenena mikasika ny fahalalana ankapobeny antsoina hoe « World Quizzing Championship » izay manomboka amin’ny 9 ora sasany maraina.
Sehatra maromaro no ho anontaniana mandritra izany toy ny Siansa, ny lalao sy ny fanatanjahantena, ny kolontsaina, ny tantara, ny fialamboly, ny tamban-tserasera na ny haino vaky jery, ny mikasika izao tontolo izao ary ny fomba fiaina. « Amin’io sabotsy io no andro iraisan’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao ny amin’ny « World Quizzing Championship » » hoy i Diamondra, mpikarakara ny hetsika.
« Mahaliana be ahy mihitsy ny fifaninana tahaka izao satria sady hahafahako mandrefy ny fahaizako amin’ny hafa no hahalalako zavatra maro izay mety mbola tsy fantatro », hoy i Rindra isan’ny handray anjara.
« Tena mitondra lavitra ny firenena tokoa ny tahaka izao ary izay indrindra no hitako mampiavaka ny BTC noho izy mitarika ny olona ho any amin’ny fandrosoana hatrany » hoy i Elie, mpampianatra eny amin’ny lycée. Mila omena anjara toerana ny olon-drehetra indrindra ny tanora manoloana ny zavatra mahaliana azy.
Iza no handimby an’i Ravikant Avva ?
Nicole Rafalimananjara
