Ambohimanambola : Efa noravahana ihany koa ny tanàna, ary vonona handray ny fety
Tahaka ny kaominina hafa eto Avaradrano dia nametraka haingo manoloana ny lapan’ny tanàna ihany koa ny kaominina Ambohimanambola. Efa manana ny hetsika manokana entiny hankalazany ny fetiny ny kaominina fa niampy fandravahana ny tanàna izany.
« Hanasana ny rehetra hanatrika fety eto amin’ny kaominina Ambohimanambola manomboka ny 20 desambra 2021 izao amin’ny 6 ora hariva, ka hisy ny fitaterana ireo olona lavi-podiana amin’ny Bajaj » hoy ny avy eo amin’ny Kaominina Ambohimanambola. « Ny fifaninana Ludo King manche 1 dia ny 20 Desambra 2021 amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny CEG Ambohibato. Ny fisoratana anarana dia misokatra hatrany » hoy ny mpikarakara.
« Mahafinaritra mihitsy ny hetsika tahaka izao mba hampifaliana anay vahoaka fa enjana loatra ny takaitra tamin’ireny krizy maromaro ireny » hoy i Jeannot, mponina ao Ambohimanambola. Ny tsara tokoa no fankan-tahaka, tena mety tokoa ny manome sehatra ho an’ny vahoaka hahalalany fa olom-pirenena tokoa izy ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
