ActualitésTsidika

Andro nasionaly ho an’ny lokomena ny 29 jolay

Androany alakamisy 29 jolay no andro nasionaly natokana ho an’ny lokomena. Isan’ny fitaovana iray manome sy mamoaka tsara ny endriky ny molotra ny lokomena. Misy lokony maro azo isafidianana izy ireny ka tsy voatery ho mena foana akory izany fa kosa manakaiky ny mena fotsiny ny lokony na matroka. Misy maitso sy manga mihitsy aza ny sasany.

Raha ny vidin’ny lokomena antonony any Frantsa izao dia 28 Euros (126 000 Ar) fa ny ambanin’izay kosa tsy ferana. Efa nisy nandritra ny 5000 taona izao ny lokomena, raha vato sarobidy nafangaro tantely no nanaovana azy tany am-piandohana, fa avy eo nahita voankazo niloko mena. Ho an’ny mpanakarena kosa ny lokomena tamin’izany raha ny tany Egypte manokana fa ho an’ny mpivarotena kosa izy ho an’ny tany Grèce.  Noho ny fivoarana anefa dia nihavao tsikelikely ny akora nanamboarana azy ka ny vehivavy no tena mampiasa azy na inona na inona sokajiny.

Efa manomboka hita kosa anefa ny lehilahy manao lokomena ankehitriny toy ny anaty horonantsary koreanina. Nahitana fihenana betsaka anefa ny fanjifana izany noho ny aretina covid-19 izay tsy maintsy nanaovana ny arovava. Betsaka mihitsy aza ireo trano fivarotana lokomena no nikatona noho ny tsy fisian’ny mpanjifa intsony. « Taloha aho nahavatra nanao lokomena fa vao nisy ny arovava dia tsy nanao izany intsony » hoy i Sylvie, renim-pinakaviana. Na izany aza anefa misy kosa ireo efa mametraka izany ho toy ny fahazana ka na manao arovava aza dia tsy mahasakana ny fanaoavana lokomena mihitsy. « Efa fahazarana ilay manao lokomena ka tsy natao sakana ny fisian’ny arovava orona » hoy i Cynthia, mpianatra eny amin’ny oniversite tsy miankina.

Samy manana ny tiany sy safidiny ny rehetra manoloana ny lokomena mety aminy, misy ny nisafidy ny tsy hanao izany satria tsy dia manavanana loatra na hitany fa tsy manendrika azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire