Ambohimanga Rova : Hisy ny hetsika ho an’ny alatsinain’ny Paka
Hotanterahina ao amin’ny EPP Ambohitrandriamanjaka Ambohimanga Rova ny hetsika « Garden Party »ny 18 aprily ho avy izao. Betsaka ny fialamboly hita mandritra izany, toy ny zumba, ny kilalao isan-karazany, ny tombola ahazoana finday.
Tsy ho diso anjara amin’ny fety akory ny Kaominina Ambohimanga Rova. Misy ny hetsika izay azon’ny rehetra andraisana anjara. Misy kilalao samihafa izay ahazoana loka maro isan-karazany. Eo ihany koa ny tsakitsaky izay amidy amin’ny vidin’ny mirary » hoy i Ravaka, isan’ireo mpikarakara. « Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao. Zava-dehibe ny miala voly kely miala amin’ny maha zatra rehefa fety tahaka izao » hoy i Robin, mponina ao Ambohimanga Rova.
Sady andro fety no fialana voly ny alatsainin’ny Paska. Fotoana tsy fiasana ihany koa, ary tokony hanararaotana ny fiarahana mifaly amin’ny fianakaviana.
Nicole Rafalimananjara
