SportTsidika

Reharehan’ny faritra Matsiatra Ambony i Florentine

Noraisin’ny Goverinoram-paritra Matsiatra Ambony tao amin’ny Lapan’ny Faritra ny i Razanamandroso Florentine na Laurence, Solotenan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, nandrombaka ny Amboara tamin’ny fifaninanana nasionaly taranja Triple saut sy Saut en longueur, sokajy Senior, taona 2021.

Marihina fa i Laurence no voafidy ho « meilleure sauteuse » nandritra ity fifaninanana ity, ary manjaka tokana ny tenany amin’ireo taranja roa ireo hatramin’ny taona 2016 fa anisan’ny Sangany hatrany hoan’ny sokajy nisy azy na teo amin’ny Fifaninanana nasionaly na teny anivon’ny Oniversite. « Reharehan’ny faritra tokoa ny toa azy ary tsara ho atao fakan-tahaka ho an’ireo tanora eto izy, vonona hatrany ny faritra hanome lanja ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena » hoy ny Governora.

« Mila fanohanana ny tanora indrindra ny eo amin’ny lafin’ny ara-pantanjahan-tena sy ny lafin’ny arak’asa ary ny famitana ny fianarana » hoy i Ramananoro Justin, mpanazatra ity Atleta ity. Rehefa mandroso sy omena sehatra ny tanora dia mandroso sy mahazo sehatra amin’ny firenen-drehetra ny firenena. Mila fanohanana anefa izy ireo satria na iezaka aza tsy hisy ahita raha tsy ao ny tosika avy amin’ny fitondrana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire