Mety ho tratry ny rarin-tsaina ihany koa ny zaza
Maro ny mihevitra fa ny olon-dehibe ihany no tratran’ny rarin-tsaina na ny stress kanefa mpahazo ny ankizy tokoa izany izay hatahorana hisy fiatraikany amin’ny fianarany aza. Maro ny famatarana ny rarain-tsaina mpahazo ny zaza toy ny faharerahana lava, ny fahalain-komana, ny tsy fahitana tory, ny fitokatokanana irery sy ny fahakizitinana, ny hakamoana ary ny tsy fifantohana amin’ny fianarana. Inona no mahatonga izany ?
Mety miainga ao amin’ny tokantrano izany na eny an-dalana na any an-tsekoly sy eny amin’ny fiarahamoninaeny. Ny fihetsika tsy mendrika aseho amin’ny zaza dia mahatonga rarin-tsaina ho azy toy ny fahakizitinana, fahasiahana indrindra ny fisarahan’ny ray aman-dreny. Mila omena fitiavana noho izany ny zaza na any an-tsekoly izany na ao an-trano.
Miainga amintsika ray aman-dreny ny fanjana ny zanantsika satria isika niteraka aza tsy manaja azy koa maika fa ny hafa. Mila ampiana ny ankizy hanana fahatokisan-tena amin’izay afaka miatrika am-pilaminana ny hoaviny sy ny fianarany.
Nicole Rafalimananjara
