Ambohimanambola: lehilahy naraha-maso eo amin’ny fitsarana tratra namerin-keloka
Lehilahy iray, mpanongotra sy mpangalatra varavarana, tao amin’ny fokontany Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, no tratran’ny zandary rehefa namerina ny asa ratsiny, tao amin’ny fokontany Ambohimanambola tanàna. Niakatra fitsarana ny alarobia teo ity farany ary voatazona am-ponja, raha ny voalaza.
“Ny herinandro lasa teo ity lehilahy ity no voapanga ho nangalatra varavarana, tsy mbola nisy ny fampidirana am-ponja azy tamin’izay fotoana satria voalaza ho endrikendrika. Rehefa nandeha ny herinandro, ka tsy mbola fay dia mbola nanongotra varavaran’olona indray tamin’ity herinandro ity ka tratra ihany ny farany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ety an-toerana, ary olona tsy ampoizina no mahavitra manatanteraka izany. Ny zandary, mpitandro ny filaminana, dia efa hita tokoa fa manao ezaka manoloana izany. Tokony tohizana foana izay ezaka izay” hoy i Liva, mponina ao Ambohimanambola.
Tsy kely lalana ny ratsy. Hilaina hatrany ny fahamailona sy ny fitandremana. Misy amin’ireo olon-dratsy no fetsy sy mahay mody adala, tahaka ity lehilahy ity, izay raha ny vaolaza hatrany, dia nampisalasala ny fitsarana ihany ny fampidirana azy am-ponja noho ny hafetseny.
Raha misy lahatsoratra tianao ho avoaka eto amin’ny site, azonao atao ny manoratra amin’ny « gazety.tsidika.avaradrano@gmail.com »
Manitra R.
