La Réunion : Matetika ny fanafihan’alika ao an-toerana
Zaza no tanterina matetika fa lanin’ny « chien de race » ao La Réunion. Misedra izany fanafihan’alika izany ihany koa nefa ireo mpiompy ao an-toerana. Ondry aman’osy dimy niampy akoho am-polony no novonoin’ny alika tao Saint-Louis ny 26 desambra teo, nanodidina ny 2 ora atoandro. Faniefany io fanahifana io hoy ireo mpiompy ao an-toerana ary tsy alika mpirenireny no manao izany fa « chien de race ». Nampitandrina ny amin’ny herisetra mety ho vitan’ny alika izy ireo.
