Analanjirofo: Hain-trano tany Soanierana Ivongo
28 Desambra, 09h30. Nijery ny zava-misy ary nitondra fanampiana tany Soanierana Ivongo ny Minisitry ny mponina sy ny olona manan-kaja maro nanoloana ny hain-trano nisy tany an-toerana. Ireo fokonolona no ampanaovina Asa Takalo Sakafo na VCT (Vivres Contre Travail) ho fanadiovana ny toerana niaran-doza sy ho fanohanana azy ireo.
