Dépêches

Fifamoivoizana : Isehoana tranga na lozam-pifamoivoizana matetika iny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato iny.

dépêche 21 septembre, 14h, Mateti-pitranga ity loza eny amin’ity toerana ity, mahagaga mihitsy satria matetika loatra no moto sy bisikileta hatrany no iharn’izany. Nisy fifandonana indray teo amina mpitondra moto sy mpitondra bisikileta raha iny saika hanapaka iny ity mpitondra bisikileta ity. Atahorana ny ain’ity farany ka nentina avy hatrany any amin’ny toeram-pitsaboana. Malalaka be iny lalana iny ka somary mandeh may daholo ny fiara rehetra eny ka izany indrindra no ilaina fahamailoana rehefa mampiasa ireny lalana ireny.

Laisser un commentaire