Dépêches

Vohemar: Tratra ireo mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Manasamody Antsirabe Avaratra

Dépêche 11 octobre, 12h, Noho ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo mahakasika tambazotra iray mpivarotra rongony ao Manasamody, kaominina Antsirabe Avaratra Distrika Vohemar dia tratra izy ireo. Efa olona maromaro izy ireo no miray tsikombakomba amin’izao fivarotana zava-mahadomelina izao k any 2 tamin’izy ireo aloha no tratra niaraka tamin’ny rongony 120kg raha mbola karohina kosa ireo namany. Marihina hatrany fa anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ny rongony ka tsy maintsy handraisana fepetra ary ilaina fiarah-miasa amin’ny rehetra.

Laisser un commentaire