ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny hetsika fanentanana faobe enti-miady amin’ny valan’aretina covid-19

Nisy ny hetsika fanentanana faobe enti-miady amin’ny valan’aretina covid-19, ny faran’ny herinandro lasa teo tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Manolona ny mbola fisian’ny trangan’aretina corona virus eto amin’ny firenena, nosafidian’ireo avy ao amin’ny fikambanan’ny « Maintimolalin’i Japana » (Association des anciens et amis du Japon à Madagascar” ny CSB II Ankadikely sy ny CEG Ankadikely nanaovana ny hetsika fanentanana.

« Nisy ny fampatsiahivana ny fomba fanasan-tanana mahomby, ny fanentanana amin’ny fanaovam-bakisiny Covid-19, ny fampiasàna ny aro vava-orona, nandritra ny hetsika. Anisany zava-dehibe ihany koa ny nitondran’ireo avy ao amin’ny fikambanana ny fanofanana mahakasika ny fenitra « S5″ ho fanatsaràna ny fomba fiasa eto anivon’ny CSB II na amin’ny sehatra hafa ihany koa » hoy  ny avy ao amin’ny kaominina.

« Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovam-pidiovana sy fanadiovana ary kojakoja ara-pahasalamana isan-karazany avy amin’ny fikambanana ka samy nahazo ny tandrify azy avy na ny CSB II na ny EPP Ankadikely, izay hisaorana sy hankasitrahana azy ireo sy ny mpiara-miombon’antoka aminy » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Tsy voaresaka matetika amin’izao fotoana izao tokoa ny fisian’ny valan’aretina corona virus ka ilaina ny fampatsiahivana, indrindra ho an’ireo mpianatra tahaka izao. Tsy tokony hiandry fanentanana anefa vao hahalala madio sy hiaro tena amin’ny aretina samihafa. Ilaina hatrany ny fanasana tanana sy fanaovana arotava mba hisorohana aretina maro fa tsy amin’ny covid-19 irery ihany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire