ActualitésTatitra

Afrique de l’Est : Mitazona ny nentin-drazana nefa manaiky ny fivoarana ny « Maasaï » 

Foko mpiompy sy mpiady (guerrier) ary mpifindra monina amin’ny ampahany ny « Maasaï ». Ao Afrique de l’Est no misy azy ireo indrindra ao afovoan-tany sy atsimo andrefan’i Kenya ary avaratr’i Tanzanie.

Ao amin’ny vondrom-piaraha-monina « nilotiques » ny « Maasaï » izay nifindra monina avy any atsimon’i Soudan tany amin’ny taonjato faha-15, niaraka tamin’ny biby fiompiny. Anisany mampalaza io vondron’olona io any amin’ny ankamaroan’ny tandrefana ny fananganany valan-javaboary ho an’ny biby maro ao Afrique de l’Est.

Mbola mitazona ny fomban-drazany ara-kolontsaina kosa ireo « Maasaï » nefa mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena, sosialy ary politika ao amin’ny faritrany sy any ivelany izy ireo.

Laisser un commentaire