Dépêches

Fetin’ny Noely : Fampisehoana goavana nokarakaraina hankalazana izany.

Dépêche 26 décembre, 12h30, Nisy ny lanonana izay nanamarihana ny fetin’ny Noely tao amin’ny Kianjan’ny Fanatanjahan-tena Mahamasina. Amin’ny maha fetin’ireo mpino ity fety ity dia samy manao izay fomba hankalazany izany avokoa ny mpino tsirairay. Toy ity hetsika izay nokarakarain’ny Sampana Tanora Kristianina FJKM ity. Nampitondraiana ny anarana hoe « Noely Fihobiana »izay nanasana ireo  mpanakanto manana ny maha izy azy toa an’i Rija Ramanantoanina, Henri Ratsimbazafy, Bodo, Luc ary Mahery. Nahafinaritra ny seho izay nahazoan’ireo mpijery rehetra aim-panahy sy fahafaham-po.

Laisser un commentaire