Dépêches

Herinandron’ny filozofia : natomboka omaly

19 Novambra, 12h00. Tanterahina isaky ny alakamisy fahatelo ny volana novambra, ary iarahana manatontosa amin’ny UNESCO ny andro maneran-tany ho an’ny filozofia, izay nankalazaina nanomboka ny taona 2018. Niova ho herinandron’ny filozofia izany taty aoriana. Natomboka omaly ny fankalazana ny herinandron’ny filozofia maneran-tany. Ho fankalazana izany dia hahitana hetsika isan’andro mandritra ny herinandro isaky ny lisea rehetra hiasan’ireo mpikambana ao anatin’ny « association philosophie ».

Laisser un commentaire