Torohevitra : Ny atao hanadiovana ny volafotsy
Firavaka anisan’ny tsy misaraka firy amin’ny olona iray ny volafotsy. Mety hitoerany avokoa na rantsa-tanana, na tenda na sofina. Rehefa ela ela mipetraka eo anefa ny volafotsy dia lasa mivalo-mainty na manger mainty hoy ny sasany kanefa mety tsy tsikaritr’isika manao azo akory. Azo atao tsara ny manadio azy ireny mba hampangirana azy mandrakariva.
Fomba tsotra ny fanadiovana ny volafotsy. Rano sy karibonetra no ilaina hanadiovana azy. Alaina ny firavaka volafotsy tiana ho diovina, lemana kely amin’ny rano. Rahefa izay, alaina ny karibonetra kely dia hosorana ilay firavaka ka sokehana amin’ny borosy nify avy eo. Fafana amin’ny voro-damba maina izay dia ahita vokatra avy hatrany aorian’izay.
Fomba faharoa ihany koa ny fampiasana ny paty amin’ny dentifrice. Toy ny fomba teo aloha ihany ny fanaovana azy. Hosorona amin’ilay dentifrice ilay firavaka tiana ho diovina, kosehana amin’ny borosy nivy avy eo. Hangirana avy hatrany izay volafotsy izay.
Tsara kolokoloina hatrany ny firavaka mba hamiratra sy hadio. Ny volafotsy dia anisan’ny vato sarobidy manana hery manokana ka tokony tandrovina mandrakariva ny hasiny.
Manitra Ramanantsoa
