SocialTsidika

Fifamoivoizana : baranahiny loatra ny fampiasana ny arabe.

Toa ny tany tsy misy lalàna ny fifamoivoizana eto amintsika. Bahanan’ny mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpanamboatra moto ny “trottoir”. Manaratsy endrika ny tanàna izy ireny. Fako mivangongona ihany koa no avelan’ireo mpivarotra amoron-dalana rehefa miala eo izy ireo. Tsy vitan’izany fa mampitombo ny taha mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana ny fivarotana amoron-dalana. Voatery mandeha any anaty arabe natokana ho an’ny fiara manko ireo mpandeha an-tongotra. Satria tokoa efa tsy amoron-dalana intsony ireo mpivarotra fa efa anaty arabe mihitsy. Manembatsembana ny fifamoivoizana izy ireo. Efa nisy asa nataon’ny mpitandro filaminana nanalana ny sasany amin’izy ireny. Misy mihitsy aza ny manao fanenjika isan’andro amin’ny polisy monisipaly. Sahirana tanteraka ny vahoaka ka lasa manao asa tsy ara-dalàna ny ankamaroany.

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire