ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Tsara ny valin’ny fitsirihana ireo hazo nambolena tao Ilaka Atsinanana

Nahatratra hatramin’ny 99% ireo zana-kazo vanona tamin’ireo nambolena tao Ilaka Atsinanana ny volana janoary lasa teo. Io toerana io nanamarihana ny fisokafan’ny taom-pambolen-kazo tamin’ity taona ity. Araka izany dia tsar any valin’ny fitsirihana izay natao, izany hoe nahomby ny fambolena tamin’ity taona ity. Nahatratra hatramin’ny 120 000 ireo zana-kazo nambolena tamin’ny tany mirefy 100 ha k any 118 800 tamin’ireo no azo lazaina ho naniry.

“Nahitana vokatra tsara ny fambolen-kazo tamin’ity taona ity ary azo lazaina ho tsara karakara ihany koa izany. Raha 99% amin’ireo zana-kazo nambolen’ny tsirairay no vanona dia nahatratra hatramin’ny 90% ihany koa ireo nambolena tamin’ny alalan’ny drones. Raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa dia niakatra 19% ny fahatomombanana ary ho ezahina ho ampiakarina hatrany izany”, hoy ny Ministeran’ny Tontolo iainana.

Ny fambolena rehetra dia tsy maintsy misy fitsirihina avokoa hahatomombana ny fambolena sy hahazoana vokatra tsara. Ity volana mai rehetra ity dia natokan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana hitsirihana ny ireo hazo nambolena rehetra ary efa nanomboka ny 05 mai lasa teo izany.

“Entanina ny rehetra izay nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo mba asamy hitsirika ny voliny avokoa. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahana manatratra ilay tanjona handrakotra ala indray an’ny Madagasikara. Raha tsy jerena ny fanirian’izy ireny dia mety hamono tena ilay zana-kazo ka tsy nisy dikany akory ny ezaka”, hoy hatrany ny Ministera.

Efa nametrahana fiarovana amin’ny afo ihany koa ireo toerana nambolena hazo. Izany rehetra izany dia tafiditra anatin’ny ezaka famerenana an’ny Madagasikara ho nosy maitso indray avokoa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire