Dépêches

Programan’asa Fanarenana: Nahazo fanamafisam-pahalalana ireo mpitsabo mpanampy amin’ny toeram-pamonjana

Dépêche 10 mai, 12h, Nahazo fampiofanana avy amin’ny fandaharan’asa Fanarenana ireo mpitsabo mpanampy eny anivon’ny fonja. Ny tanjona dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja amin’ny alalan’ny fiantohana ny fikarakarana ara-pahasalamana tsara ho an’ny voafonja. Fiofanana momba ny fahasalamana miompana amin’ny filan’ny fonja no natolotra ireo mpitsabo mpanampy ireo tamin’izany. Efa andiany faharoa ity fiofanana ity ary miisa 25 ireo mpitsabo mpanampy nisitraka izany. Haharitra valo andro ny fampiofanana izay hiaraka ny ara-teorika sy ny fampiharana.

Laisser un commentaire